Vahiny.com  |  Madagasikara
.:: Sélection de livres ::.
Faka sy kolo mikabary 21.3
(Edition Première - Antananarivo - Madagascar)

Teny fanolorana

- Prix de vente :
24 euros TTC

- Frais de port : inclus

- Expédition sous 48h en Colissimo suivi.

Livraison en France métropolitaine uniquement

- EPUISE -
- Réappro en cours -

Transaction sécurisée

Règlement par chèque

 


Sambasamba Zanahary, fa teraka ity « FAKA SY KOLO MIKABARY ity !

Isaky ny misy lanonana « Fanateram-bodiondry » atrehin'ireny teratany vahiny ireny mantsy, dia iriny fatratra ny mba handikana amin'ny fiteniny ireny kabary ifamalian'ny roa tonta ireny. Variana foana izy mahita izato tehaka sy fankasitrahan'ny mpanatrika izay voalazan'ny mpikabary roa tonta.

Nolazaina taminy fa sarotra ny hanatanterahana izany, satria ny dindo sy taratry ny saina aman-panahin'ny Malagasy no raketin'ireny Teny sy Fombam-piteny ireny, ka tsy azo atao an-kamehana na an-tandrametaka foana.

Ankehitriny anefa, akory ny hafalianay fa nivoaka ity « FAKA SY KOLO MIKABARY » ity. Noezahin-drizareo mpikarakara azy mantsy ny handikana amin'ny Teny frantsay ireny teny sy fombam-piteny maha kabary ny kabary malagasy ireny. Koa na dia tsy mbola ny tonga lafatra aza izy ity, dia hita taratra ato kosa ny fahasahiana maha te hidera momban'ny fikelezanaina hamaky lay amin'izany asa sarotra ho fampahalalana ny Kolontsaina Malagasy izany.

Manana izay maha izy azy tokoa mantsy io Fiteny Malagasy io. Fa hoy Itompokolahy Ravelojaona, ilay ngezalahy mpitandro ny maha malagasy hoe : "Ny olona mamongatra ny rakitry ny ela nokajin'ny soratanana an-taratasy, ny boky, ny tsangambato sy ny biriky amana kapila ; ny Malagasy kosa ny fiteniny tokana monja no vato namelan-kafatra nasai-mitahiry izatsy mihetsiketsika rehetra izatsy. Fa na fandinihana ny zavaboary, na ny fivavahana nananany, na fitsipipitondrantena, na fitondram-panjakan'ny razana, na inona na inona tianao hofantarina momba ny Ntaolo malagasy sy ny tantara tranainy, dia ny Fiteny Malagasy izany no azo avadibadika hamantarana izany ».

Arahabaina ary ny fahavitan'ity « FAKA SY KOLO MIKABARY » ity, fa na tsy mbola ny varavarana midanadana aza dia mba efa hirika azon'ny vahiny anarangaranana ny soatoavina malagasy, ka iredonantsika ny « Soa miditra, soa miditra é, mandrosoa ».

RADO
Antananarivo, 23 Septambra 2005

 

Vahiny sarl - 25 rue Paul Claudel - 91000 Evry - France | R.C.S. Evry : 453 112 658 | Nous contacter