Vahiny.com  |  Madagasikara
.:: Sélection de livres ::.
Ny zara fanompoako voatendrinao
(Editions SME - Antananarivo - Madagascar)
Ny zara fanompoako voatendrinao - cliquer pour agrandir l'image

« Ny zara fanompoako voatendrinao » no lohateny nomena ity boky mirakitra ny fiainan'Itompokolahy Daniel Ralibera, ary nototosain'ny Editions SME ity. Azo lazaina fa voafono ao anatin'io lohateny io ny foto-kevitra mamintina ity tantaram-piainana olomangan'ny firenena malagasy, nanompo an'Andriamanitra sy ny tanindrazany ity.

Tsy hozoviana intsony Andriamatoa Ralibera Daniel, ary izay hamaky ity boky ity, dia hahalala ny fiainany amin'ny antsipiriany, fa ny tena zava-dehibe voarakitra ato angamba dia ny fahatsapan'Itompokolahy Ralibera rahateo ny lanjan'ny fanoratana tantara :

« - ny fahalalana ny taloha dia mety hanampy antsika hahafantatra tsara kokoa ny toe-javatra misy amin'ny vanimpotoana iainantsika ankehitriny.

Ary ny fahalalalana ny tsy mety nataon'ny teo aloha dia manakana antsika tsy hizotra amin'iny lalana iny, nefa ny fahafantarana ny tsara nataon'ireo teo aloha kosa dia tokony hampirisika antsika hanohy izany ho any amin'ny tsara kokoa. »

Mpitandrina, mpampianatra, evangelistra, misionera Andriamatoa Daniel Ralibera, ary anisan'ireo olomanga malagasy izay nijoro sy nampijoro ny maha malagasy sy ny foto-pisainana malagasy ho « malagasy mijoro hatrany amin'ny maha olon'ny fo, olon'ny saina, sy olon'Andriamanitra » izy. Nankininy amin'izany tarigetra izany ny maha izy azy manontolo, naompany ho amin'izany koa ny asa rehetra izay niandraiketany ary azo lazaina fa anisan'ireo andry niankinan'ny firenena izy.

Raha nitantara ny fahazazany Itompokolahy Ralibera dia zavatra maro, izay tsy fantatry ny tanora ankehitriny no misongadina : Mpitandrina ny rainy ary anisan'ireo olona izay avara-pianarana tokoa. Anisan'ny fahatsiarovana nampitain'ny rainy azy ohatra, ny niarahan'izy io nianatra tamin'i Henri Randzavola, sy ny fikirizan'izany olona izany handranto fianarana hatramin'ny farany, satria hoy ny tantarain'dRalibera Rainy: « Raha matory izahay , Randzavola kosa miteniteny mamerina teny anglisy. ». Tamin'ny taona 1893 io toe-javatra io, talohan'ny fanjanahantany ary io tsipiteny io dia maneho tokoa, ny rivotra niainana tamin'izany fotoana izany, sy ny finiavan'ny rehetra hikatsaka ny avo indrindra eo amin'ny fianarana izay azo tratrarina.

Zava-dehibe no hahalalana izany, zava-dehibe tokoa ny hahalalana fa efa nisy lalana voasoritr'ireo zokiolona teo aloha ange, sori-dalana izay toa tsy tadidintsika intsony, na tsy nampianarina antsika akory.

Zavatra maromaro toa izany no voatantara ato : ny firafitry ny fianarana tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany: ny école normale izay natsangana tamin'ny 1897 tao Mahazoarivo, ny école pastorale izay natsangana tany Ambatomanga tamin'ny 1903, ny sivana lehibe nasetrin'ny mpiandraikitra ny sekolim-panjakana tamin'ny andron'ny fanjanahantany, ary ny ezaka nataon'ny avara-pianarana malagasy toa an'i Prosper Rajaobelina izay namorona ny « Ecole Paul Minault » mba hahafahanan'ny tanora malagasy handranto fianarana tonga lafatra.

Maro ny zavatra voatantara ato anatin'ity boky ity, ary maro koa ny olona voatanisa ato, toa ny mpanoratra E.D. Andriamalala, Célestin Andriamanantena, ny Pasteur Ravelojaona, ny Pasteur Rabary, na ny mpampianatra toa an'i Joseph Ravalomanana izay nampianatra tao Ambatomanga ; sns. Ary ny fitanisana ireo olomanga ireo, tsy fitanisana fe fitanisana fa fanehoana tokoa ny fomba niarovana ny haja aman-boninahitry ny malagasy, ny fitandroana ny ho avin'ny taranaka, ho taranaka feno fikirizana sy fahendrena. Ezaka goavana izany, nefa tsy mba misy teny feno fihamboana ity boky ity, fa dia mitantatra fotsiny izy, toa milaza zavatra farany izay tsotra sy mandeha ho azy, toa adidy tsy maintsy natao, ary natao amim-pamendrehana.sy amim-pahamalinana. Ny mpamaky no liana sy variana, ary manontany tena hoe: « Nahoana re, Tompoko, no tsy nampianarina anay izany tantara izany ?»

« Raikitra adidy » Itompokolahy Ralibera Daniel sy ny namany. Ary izany adidy izany dia noefany, na tany Anivorano Avaratra izay niandraiketany, na tany Paris , toerana naha misionera azy .

Toa zary teny fe teny fotsiny amin'izao andro izao ny fitantarana ny rivo-doza tany Toamasina tamin'ny 1927, ny pesta, ny fikomiana tamin'ny 1947, ny vanim-potoana nahazoana ny fahaleovantena. Sanatria toa hadino, na tsy hain'ny taranaka fara aman-dimby ny zavatra niainan'ireo ray aman-dreny. Firy amin'ny taranaka ankehitriny no mahalala, ohatra, fa nanampy ny tafika malagasy notarihan- Rainianjalahy 14 voninahitra ange ny fiangonana raha nanafika ny Tafika frantsay.

Tsy hotantaraiko ny vontoatin'ity boky ity, fa aleo ny mpamaky no handalina azy. Ny azoko lazaina dia izao : liana tokoa aho namaky azy, be ny fahatsiarovana nitamberina tao an-tsaiko, toa zary hafatry ny maty, tandindon'ireo zoky raiamandreny nitaiza.

Betsaka ny voalaza ao, izay mbola ny azo halalinina, fa ny zava -dehibe dia izao : voasoratra ho raiki-tadidy ny « zara fanompoan' » Itompokolahy Ralibera Daniel ho soa fianatra ho an'ny rehetra. Misaotra an'ireo izay nanatontosa ity asa goavana ity. Enga anie ka ho maro ny boky mikirakira ny rakitry ny ela toa ity !

Michèle Rakotoson